Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-4

6 Fa izaho dia mova tsy ny efa haidina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako. 7 Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; 8 hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo mpitsara marina ahy amin'izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny hahatongavany koa. 17 Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan'ny jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan'ny liona aho. 18 Hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin'ny fanjakany any an-danitra. Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1699